Zavakanto

Tsenan’ny zavakanto Nitombo avo telo heny ny varotra kapila piraty

Nihantona avokoa ny karazana fialam-boly, amin’izao vanim-potoana fihibohana izao. Mandany ny tontolo androny amin’ny fijerena sari mihetsika ny rehetra. Nandeha be miaraka an’izany ny tsenan’ireo mpivarotra kapila mangirana.

Nitombo ny filàn’ny isan-tokantrano amin’ny lafiny fialam-boly. Mirona amin’ny fijerena horonantsary ny tanora sy ny lehibe, raha sarimiaina ho an’ny ankizy. Misy akony eo amin’ny tsenan’ireo mpivarotra kapila, indrindra fa ny piraty, io fironana io. « Mahalafo avo telo heny noho ny mahazatra izahay, ao anatin’ny tapak’andro. Mahatratra dimampolo ny kapila lafo amina tantara iray. Nihabetsaka ny mpividy raha oharina tamin’ny tsena talohan’ny fisianan’ny coronavirus », hoy i Haja, mpivarotra kapila amoron-dalana. «Ireo tantara azon’ny mpianakavy jerena miaraka no vidian’ireo ray amandreny. Ny horonantsary malagasy no tena tadiavin-dry zareo. Maro ihany koa ny manjifa rakikira sy rakitsary piraty. Saika ny tanora no mila azy ireny», hoy indray i Roger, mpivarotra sady mpampanofa kapila. Niraisan’ireto mpivarotra kapila ireto ny tsy hampiakatra ny vidin’entana, na eo aza ny fitomboan’ny isan’ny mpanjifa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra