Fanatanjahantena

Fahasalamana mpanazatra Niditra hopitaly eny Soavinandriana i Raux Auguste

Araka ny loharanombaovao dia tratran’ny tsy fahasalamana vokatry ny fahatapahan’ny lalan-dra (AVC) tampoka i Raux Auguste, mpanazatra mpanampy an’ i Nicolas Dupuis, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ i Afrika taranja baolina kitra na CAN, tamin’ny taona 2019. Nampidirina hopitaly eny Soavinandriana, tamin’ny sabotsy lasa teo, ity teknisiana malagasy ity. Manomboka mihatsara ny toe-pahasalamany, omaly, araka ny vaovao nam – pitain’ny vady aman-janany.

Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ny mpanazatra manana ny toerany eo amin’ ny sehatry ny baolina kitra eto amintsika i Raux Auguste. Efa nitantana ny klioban’ny FC Fobar , AS Adema, Elgeco Plus, Uscafoot , ny tenany, ary efa nitondra ny ekipampirenena malagasy ihany koa nanomboka tamin’ny taona 2014 ka hatramin’ izao foto – ana izao. Efa nahazo ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara sy ny amboaran’i Madagasikara ny lehilahy. Mpilalao maro, toa an-dry Lahitiana Lilian, Jijy, Ricky, Jimmy, izay mila ravinahitra any ivelany avokoa, amin’izao fotoana izao, no novolavolainy.