Faritra Sosialy

Fahasalamana Fanafody iray taonina hozaraina any Antsirabe

Mitentina 424 tapitrisa ariary ny fanampiana ny sehatry ny fahasalamana any Vakinankaratra, araka ny nambaran’ny teo anivon’ny fikambanana Rotary Interantional, omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ny 26 febroary lasa teo hatramin’ny 8 marsa ho avy izao izy ireo no hanatanteraka asa fanampiana ny sehatry ny fahasalamana any Vakinankaratra.

Eo anivon’ny hôpitaly Vakinankaratra (CHRR) no hanatanterahana ity fanampiana ity. « Hozahana maimaim-poana ny marary, tolorana fanafody maimaim-poana ihany koa. Telopolo ireo mpirotsaka an-tsitrapo izay hahitana mpitsabo valo ambin’ny folo. Manodidina ny roanjato sy arivo ireo efa voatsabo nanomboka ny 26 febroary izay mbola ho tonga roa alina amin’io faran’ny herinandro io. Voasahana avokoa ny aretina amin’ny ankapobeny, ny fitsaboana nify, maso, aretin-koditra sy ny maro samihafa », hoy ny fanazavan’i Shelly Oukabay, avy eo aminn’ny Rotary.

Tamin’io omaly io ihany koa no nahatongavan’ny filoha maneran-tanin’ny Rotary, Barry Rassin, izay hanatanteraka ny fitsirihana ireo asan’ny Rotary eto Afrika, ka isan’izany i Madagasikara.

 

Volasoa R