Bemiray Zavakanto

Fampirantiana

Handray varotra fampirantiana hafakely ny City Art etsy amin’ny La City Ivandry manomboka amin’ny 11 febroary hatramin’ny 25 febroary ho avy izao.  Hasehon-dRanaivoarilala Jean de Dieu na Dédem Ranaivoarilala, mpahay tantara sady mpanakanto amin’io fotoana io ny fivoaran’ny trano fonenana teto Madagasikara hatramin’ny taona 800 sy ny kolontsaina mifandraika amin’ny Jamoka. Makety sy famerenana amin’ny dika mitovy saingy amin’ny mari-drefy farak’izay kely no atolony amin’izany. Tanjona ny hampahafantatra ny tantara sy ny kolontsaina amin’ireo taranaka aty aoriana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra