Tapatapany

Fahatarana karama

Maro ireo solombavambahoaka nimenomenona noho ny fahataran’ny karaman’izy ireo, tamin’ny volana janoary lasa teo. Nitondra fanazavana momba izany ny kestora ao amin’ny Antenimierampirenena, Jean Michel Henri, omaly. Nisy naoty avy amin’ny minisiteran’ny Teti-bola sy ny toe-karena voarain’ny tompon’andraikitra ara-bola eto anivon’ny Antenimierampirenena, hoy izy, tamin’ny 10 janoary lasa teo, fa tsy maintsy raisina amin’ny taratasim-bola na alefa mivantana any amin’ireo banky ny karaman’ireo solombavambahoaka manomboka izao. Nolazainy fa noraisina mivantana ny vola teo aloha satria maro ireo distrika tsy mbola misy banky.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra