Kolontsaina

IFM Analakely Hanokatra ny fetin’ny horonantsary ny sanganasan’i Patricia Mazuy

Hatao, ny 8 febroary ka hatramin’ny 10 febroary ho avy izao etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely ny “Fetin’ny horonantsary”. Vokatra sarimihetsika maro no halefa mandritra ireo andro ireo.

Ny sanganasan’i Patricia Mazuy, mpanatontosa vehivavy vahiny iray, no hisantarana ny fety, amin’ny zoma izao amin’ny 7 ora hariva. Ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe: “Paul Sanchez est revenu!” no haroso ho an’ny mpijery voalohany amin’izany..

Raha ny fanazavana azo avy any amin’ireo mpikarakara dia “hisy hatrany ny adihevitra hatao manodidina ny horonantsary izay avy nalefa. Mba hahafahana misintona lesona sy anatra, ary manatsara hatrany ny vokatra no anton’ny adihevitra.”.

Horonantsary efa voafantina mialoha ho alefa mandritra ny telo andro misesy ny “Turbulences”, notontosain’i Daniel Kamwa ; “Les aventures de Spirou et Fantasio” novokarin’i Alexandre Coffre, sy ny hafa. Marihina fa hidiram-bola avokoa ny fijerena ireo horonantsary ireo.