Sosialy Tapatapany

Vidin-tsolika

Niakatra 50 ariary indray ny vidin-tsolika nanomboka, omaly maraina. Tafakatra 4 200 ariary ny litatry ny lasantsy raha 4 150 ariary izany teo aloha. Ny gazoala ihany koa dia lasa 3550 ariary raha 3500 ariary teo aloha. Tsy nahafantatra ny antony mampiakatra ny vidin-tsolika kosa ireo tompon’andraikitry ny mpaninjara solika fa fanarahana baikon’ny lehibe ihany no ataon’izy ireo. Mampikaikaika ny olon-tsotra ity fiakarana vidin-tsolika ity satria ahiana indray ny hiakaran’ny vidin’entana ilaina amin’ny andavanandro na (PPN) sy ny saran-dalana. Raha tsiahivana dia tamin’ny volana septambra 2018 no nisy fiakarana farany ny solika teto Madagasikara.