Raharaham-pirenena Tapatapany

Tsy hanohana

Nanao fanambaràna milaza ny tsy hanohana kandidà ho filoham-pirenena amin’izao fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ho avy izao ny avy amin’ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CRN, noforonin’ny Filoha teo aloha, Zafy Albert tamin’ny alalan’i Tabera Randrimanantsoa, omaly. Nilaza izy ireo fa tsy mety ny miandany satria efa nisy ny dingana vitan’ny Filoha teo aloha Zafy Albert tamin’ny fampihavanana ireo kandidà roa ireo. Tsy mety amin’ny CRN ny manao fitaovana pôlitika ny fihavanana, araka ny nolazain’i Tabera Randriamanantsoa.