Tapatapany Tranga samihafa

Loza an-dranomamy

Rendrika tao amin’ny reniranon’i Manambaho ny lakana iray nisy zandary telo handeha hamita iraka tany Maintirano, tamin’ny alahady lasa teo. Lasan’ny rano tamin’izany ny basy iray an’ireo zandary niaraka tamin’ny tranom-bala roa feno bala dimampolo isa. Nieren-doza ny olona sy ireo mpitandro filaminana. Hita, ny ampitson’io ihany ireo fitaovam-piadiana rehefa nifampitadiavana tao anaty rano.