Bao tsy mivily Raharaham-pirenena

Hafenoan-drano be loatra

Faly hifanenjika eto daholo indray mandritra ny 15 andro ! Ranona mpangalatra, Ranona mpandroba, sy ry mpanao didiko fe lehibe mbamin-dry mpanivaiva… Angonina aiza daholo indray koa izao ny rihitra amin’izato rano miakatra sy mameno tanàna eto Iarivo ? Ny rihitra tsy noesorina nandritra ny fotoana tsy nirotsahan’ny orana toa tsy mba nisy nieritreritra ny handraoka azy. Ny fako aza moa hita maso ho nivangongo toy ireny inona ireny, tsy mba takontakona tany anaty lakandrano tany, kanefa ny fifanatsatsoana no nahamaika. Ifandrotehana ny asa famonjena, ifanilihana ny tsy fandraisana andraikitra. Main-tany miasa manadio tatatra sy ny sisa sy ny sisa, hono e, ka raha fahavaratra tsy matahotra tondra-drano. Iza no niasa dia iza no tsy nandray andraikitra ? Io ve nama dia ho olana mandrakizay ho an’ny mponin’Antananarivo. Na hifidy ben’ny tanàna impiry eto aza, ho dibo-drano foana ireo faritra iva, hitombo hatrany ny fanotofana tany, ho tsentsin’ny fakofakon-kavatra isan-karazany ihany ireo tatatra sy lakandrano ary tsy hanam-pahataperana ny ady fako tahaka ny ijerem-potsiny an’ireo fanorenana amina toerana tsy tokony hanaovana an’izany. Eto an-drenivohitra mantsy isika. Toa tsy renivohitr’i Madagasikara fa renivohitry ny tetikady pôlitika. Angamba voaozona tsy handroso (na dia resaka fahadiovana fotsiny aza) mihitsy ity Iarivo ity. Ny fandrosoana amin’ny lafiny fanozongozonana sy fanoherana fitondram-panjakana irery no mivoatra. Niainga tany amin’ny diabe handrodana ny mandan’Iavoloha, ny amboletra tamin’ny “1er tour dia vita”, notohizan’ny tolom-bahoaka, ary vao iny niafara tamin’ny hetsiky ny depiote tamin’ny volana avrily iny. Laza ratsin’Antananarivo avokoa izany. Tsy mba mahadibo-kafaliana ny besinimaro akory fa tanàna dibo-drano lava no iainana isam-pahavaratra izao. Mpitantana tanàna sy mpitondra mpamendrofendro tokoa, angamba, ka satry hampahory vahoaka amin’ny famenoan-drano be loatra mandavan-taona.