Raharaham-pirenena Tapatapany

Fitsirihana

Ho fantatra anio sy rahampitso ny marina momba ireo kajimirindra na « logiciels» ampiasaina eo anivon’ny Ceni sy ny Srmv izay niteraka resabe tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany. Handalo fanadihadiana lalina ataon’ireo manam-pahaizana manokana avy eo anivon’ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Eoropeanina ireo « logiciels » ireo manomboka anio. Atrehin’ireo manam-pahaizana amin’ny infôrmatika avy amin’ireo kandidà roa hiatrika ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ireo fotoana ireo. Ho ampaha-fantarina ny besinimaro ny vokatr’ity
fitsirihana ity amin’ny zoma 7 desambra izao.