Tapatapany Tranga samihafa

Fisandohana

Sarona ny lehilahy iray nisandoka ho pôlisy ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Teny Ankatso no nisamborana azy, tamin’ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Mpitandro filaminana ihany izy io fa nisandoka ho pôlisy, araka ny fanazavana avy amin’ny mpanao famotorana.