Tapatapany Tranga samihafa

Fanafihana nahafatesana olona

Maty voafira famaky nandritra ny fanafihana nataon’ny andian-dehilahy dimy, tany Mahanoro, ny alin’ny alatsinainy lasa teo, ny raim-pianakaviana iray. Nanenjika an’ireo olon-dratsy ny fokonolona. Hita faty, taorian’izay, ny iray tamin’ireo jiolahy. Nirifatra nandositra ny ambiny. Vola roa tapitrisa ariary no voaroba.