Sosialy Tapatapany

Fahasalamana

Nomen’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fiara mpitondra marary vaovao ny CHRD Anosiavaratra, ao amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano sy ny CSB II Ambatomena ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatomena Mananara. Ho fanamaivanana ny fahasahiranana mahazo ny vahoaka eny ifotony amin’ny fitaterana ireo marary izay mila mitsabo tena amin’ny hôpitaly lehibe, na mila fitsaboana maika aty an-drenivohitra. Nanantitrantitra ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Rantomalala Harinirina Yoel, nandritra ny fanolorana ny fitaovana, ny tokony hanajana sy hikajiana fatratra ny fananana iombona tahaka itony mba haharitra sy hitondra soa tokoa ho an’ny fahasalaman’ny vahoaka.