Tranga samihafa

FAHAFATESANA MPITANDRO NY FILAMINANA Tratra ireo namono ny lehiben’ny Borigadin’ ny zandary

Olona dimy, hatreto, no tratra tamin’ny fahafatesan’ ny lehiben’ny Borigadin’ny Zandarimariam-pirenena (Cb) any Ranomafana. Tsy nahitana fitaovam-piadiana teny amin’ireto voasambotra.
Am-polony maro ireo nanafika tany Tsaramandroso Ranomafana, herinandro lasa izay. Namoy ny ainy voatifitra tao an-damosiny ilay lehiben’ny Borigady. Voasambotra tany anaty ala ireto lehilahy dimy, andro vitsy taorian’ny fanafihana. Tamin’ny famotorana no nahafantarana fa ahiana ho anisan’ireo nanafika fiara tsy mataho-dalana iray nitondra mpiasa eo anivon’ny FID na tahiry ho an’ny fampandrosoana ifotony tany Ambalakindresy Ambohimahasoa, tamin’ny volana novambra teo, ihany koa izy dimy lahy ireo. Tsiahivina fa maty voatifitra ny mpamily nitondra ny fiara, tamin’io fotoana io. Fantatra fa ao amin’ny alan’Ambalakindresy no fiafenan’ireo dahalo. Ankoatra ny halatr’omby dia manao fanakanan-dalana sy fandrobana fiara ireo olon-dratsy.