Tapatapany Tranga samihafa

Mpitondra môtô

Nitera-doza ny fisongonan’ny taksiborosy iray marika “Mercedes Sprinter” ny môtô iray teo am-piolahana tany Behenjy amin’ny lalam-pirenena faha-7, tamin’ny 2 novambra lasa teo. Nifampikasika tamin’ilay taksiborosy ny môtô ka nianjera. Namoy ny ainy vokatry ny fianjerany ny lehilahy nitondra ilay môtô.