Tapatapany Tranga samihafa

Jiolahy dimy

Naharitra telo andro ny fikarohana sy ny fisamborana ireo jiolahy avy nifampitifitra tamin’ny zandary tany Ampanefy- Atsimondrano, ny alin’ny 28 oktobra lasa teo. Trano fivarotana enta-madinika miisa telo no lasibatr’ireo jiolahy tamin’io fotoana io. Lehilahy iray isan’ny tompon’ny iray tamin’ireo tranombarotra voatafika no voatifitra teo amin’ny lohany.