Raharaham-pirenena Tapatapany

Feno 82 taona

Nankalaza ny tsingerin-taona faha 82 nahaterahany ny filoha teo aloha, ny amiraly Didier Ratsiraka, omaly alahady 4 novambra. Lanonana tsotsotra no noentina nanamarihany izany teny amin’ny trano fonenany, teny Faravohitra. Isan’ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina amin’ny alarobia 7 novambra izao ny tenany, saingy, mbola mitaky kosa ny amin’ny tokony hanemorana an’io fifidianana io.