Raharaham-pirenena

FANARAHA-MASO NY FIFIDIANANA Hahenika an’ireo distrika 119 ireo iraky ny iraisam-pirenena

Hanao tambabe. An-jatony ireo mpanara-maso vahiny hanaraka akaiky ny fifidianana filoham-pirenena hotontosaina amin’ny alarobia 7 novambra izao. Efa nisy ny ampahany tonga mialoha nanara-maso ny fanomanana sy ny fikarakarana izany. Ny ampahany faharoa izay nifandimby tonga Mada- gasikara ny herinandro lasa teo kosa dia nijery ifotony ny famaramparanana ny fanomanana sy hiparitaka hahenika an’ireo distrika miisa 119 eto amintsika. Ireo iraka avy amin’ny vondrona Eoropeanina miisa zato, ohatra, dia hanara-maso ny latsa-bato hotanterahina rahafak’ampitso. Hanara-maso ny fampitana ny voka-pifidianana hatramin’ ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika ataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana mihitsy izy ireo”, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny vondrona Eoropeanina, omaly. Ankilan’izay, nanao bemidina niara-nirohotra nanara-maso ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana tany Ambatolampy ireo vondrona mpanara-maso vahiny avy amin’ny Firenena mikambana, ny vondrona Eoropeanina, ny Vondrona afrikanina , ny Vondrona Sadc. Niara-dia tamin’izy ireo tany an-toerana ireo tompon’ andraikitra eo anivon’ny Ceni.