Tranga samihafa

Vono olona tany Maevatananana Miaramila roa fotorana tamin’ny fitifirana lehilahy iray

Naharitra ora maro ny fakàna am-bavany ireo miaramila roa tany Maevatanàna, omaly maraina. Voampanga ho namono nahafaty ny lehilahy iray tamin’ny alalan’ny fitifirana an-kitsirano izy ireo. Avy nifamaly tamin’ny vadiny io niharam-boina io, tamin’ny alahady hariva lasa teo, no voatifitra. Vata miaramila kilasy faharoa sy Serzà iray, lehiben’itsy voalohany, ireto atao famotorana ireto. Raha tsy misy ny fiovana dia hatolotra ny Fitsarana any an-toerana ireo miaramila ireo, anio. Efa voasambotra ary voatazona ao amin’ny tobin’ny Zandarimaria, any Maevatanàna hatramin’ny alahady hariva taorian’ny nahafaty ilay lehilahy ny vadiny sy ny vehivavy iray hafa tompon’antoka tamin’ny fiantsoana ireo miaramila rehefa nisy ny savorovoro teo amin’ireo mpivady.

Nisy disadisa teo amin’itsy lehilahy namoy ny ainy itsy sy ny vadiny tany Antanimbary-Maevatanàna, tamin’ny alahady lasa teo. Niantso ireo miaramila roa lahy ny vehivavy iray rehefa nahita izany. Tonga dia nitifitra an’ilay raim-pianakaviana nivoaka teo an-tokotany ny iray tamin’ireo tafika. Bala efatra no niditra tamin’ny vatany. Maty teo no ho eo izy. Nilaza ny tsy hanaiky mora ny zava-misy ny Etamazaoron’ny Tafika. « Ny alin’ny alahady lasa teo ihany dia efa nisy ny fepetra noraisina momba iny zavanisy iny. Nalefa any an-toerana ihany koa ny kaomandiin’ny Rezimanta miaramila faha-4 any Mahajanga », hoy ny jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika.