Tranga samihafa

Fivezivezena an-dranomasina Narahi-maso ny sambo indiana iray tany Masoala

Sambo lehibe iray mitondra ny anarana MV MOREAL no hita tany amin’ny morontsiraka Ratrianavona-Vinanivao, any Antalaha, tamin’ny alahady lasa teo. Nanaitra ireo mpitandro filaminana sy manampahefana tany an-toerana ny fahitana io sambo io satria noahiana ho manao trafikana andramena. « Tsy misy mipika ireo tahirina andramena nogiazana hatramin’izay any amin’ny morontsiraka. Sendra mandalo ny morontsiraka ilay sambo hita fa tsy misy hidiran’ny fitrandrahana harem-pirenena », hoy ny loharanom-baovao iray avy amin’ny mpitandro filaminana any an-toerana. « Voaporofo tamin’ny fitaovana manara-penitra antsoina hoe « Automatic verification System » tany amin’ny Foibe fanaraha-maso ny fari-dranomasina na CFIM ny mombamomba io sambo io sy ny fihetsiny. Mizotra mianatsimo ilay sambo fa tsy mijanona », hoy hatrany ny loharanom-baovao.