Fanatanjahantena Tapatapany

Reharehan’Ankazomanga

Eo anoloan’ny sarin’i Bolida no hifaly ny mponin’Ankazo­manga. Reharehan’ny mponina ao Ankazomanga i Lalaina Nomenjanahary na Bolida, izay lehibe tao amin’io fokontany io. Nanamboatra sary lehiben’ity mpilalaon’ny Barea itymihitsy izy ireo ho fanohanana azy amin’ny CAN, any Ejypta. Efa eto an-toerana ihany koa ny zandriny, Manoelantsoa Ando, izay mpilalao mpila ravinahitra any La Réunion ka hiaraka hijery ny ampahavalon-dalana hifanandrinan’ny Barea sy ny RD Congo miaraka amin’ireo mponina eny Ankazomanga amin’ny alahady ho avy izao.