Tranga samihafa

Raharaham-pitsarana miaramila 27 Nitohy ora maro ny fanadihadiana ny havan’ireo telo lahy maty

Mbola nitohy omaly, teny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy, ny famotorana lalina tamin’ny raharaha nahafaty an’ireo lehilahy telo hita tany amin’ny reniranon’Ampita­tafika-Antanifotsy, tamin’ny 31 mey lasa teo. Araka ny loharanom-baovao iray dia noho ny mbola tsy nahavitan’ny famotorana lalina no nahatonga ny fotoam-pitsarana tsy raikitra nandeha omaly. Mihantona ny fangatahana fahafahana vonjimaika an’ireo miaramila avy amin’ny Tafika, izay naiditra am-ponja vonjimaika any Tsiafahy. Aorian’nyfahavitan’ny famotorana lalina izy ireo vao afaka manao an’izany fangatahana izany. Fantatra, araka ny loharanom-baovao, fa hoha­fain­ganina ny fanadihadiana momba ity raharaha nahafa­tesana olona telo ity. Miaramila avy amin’ny Tafika miisa dimy amby roapolo no voampanga. Miaramila roa no miasa eny amin’ny Capsat. Ireo ambiny kosa avy amin’ny Rezimanta miaramila voalohany misahana ny hery vonjy taitra eny Ivato. Namita iraka fampandrian-tany tany Ambohimahasoa izy ireo no voarohirohy namono an’ireo olona telo hita faty ireo.