Zavakanto

Plaza Ampefiloha Hihira ao anatin’ny rotsim-pitia i Tovo J’hay

Mpanakanto fantatra amin’ireo hiran’ny fo i Tovo J’Hay izay hiaka-tsehatra etsy amin’ny Plaza Ampefiloha anio alina manomboka amin’ny 8 ora. Toerana tsy mbola mahazatra azy no hanolorany seho maivaka ho an’ny mpankafy amin’ny alalan’ny feony manga sy ireo hiram-pitiavana. Hatamberiny amin’io fotoana io avokoa ireo hira nanamarika azy hatramin’izay 18 taona nilomanosany teo amin’ny sehatry ny mozika izay.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra