Zavakanto

OLEO Talatamaty Hampisongadina ny gitara i Luk sy Jovin ary Datita

Samy manana ny tarika misy azy saingy efa zatra miara-dia amin’ny mpanakanto hafa i Luk sy Jovin ary Datita izay ho tafaraka sehatra etsy amin’ny Oleo Talatamaty rahampitso manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hiantsoroka ny lafiny fihirana kosa
i Lilie. Ankoatra ny hiran’ny tarika misy ny tsirairay, dia hivelatra amin’ ny fiangaliana ny sanganasan’ireo mpanakanto hafa sy malagasy ary vahiny ity fampisehoana hiarahan’izy efatra mianadahy ity.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra