Tranga samihafa

Herisetra mamoafady sy fampijaliana Lehilahy vahiny torian’ny sakaizany noho ny fanerena hihinana maloto

Disadisan’ny mpifankatia saika nitera-doza. Tonga teny amin’ny polisy nitantara ny herisetra nihatra taminy ny vehivavy malagasy iray. Ampangainy tao anatin’ny fitorohana nataony ny lehilahy teratany vahiny iray, izay sakaizany ihany.

Voasambotra itsy farany tamin’ny alarobia 3 jolay lasa teo. Anisan’ny nitarainan’ity vehivavy ity ny faneren’ilay olon-tiany azy hihinana maloto.

Tahotra ny ho faty

Milaza ho niharan’ny fampijaliana sy nanaovana toetra mamoafady sady mbola nambanana antsy io vehivavy io, araka ny fanampim-pana­za­­vana avy amin’ny mpanao famotorana. Noho izao fampijaliana nataon’ny sakaizany azy izao no nitorian’ilay vehivavy malagasy teny amin’ny Polisy misahana ny herisetra (PMPM), etsy Anosy. Efa an-taonany maro no niarahany tamin’ilay lehilahy teratany vahiny avy any La Réunion. Fantatra fa efa manan-janaka iombonana izy ireo. «Tsy vono ihany no nahazo azy fa nasain’ilay sakaizany nihinana ny malo­tony ihany koa ity vehivavy ity. Voa­ambana antsy izy tamin’ izany ka voatery nanaraka an’izay baikon’ny sakaizany noho ny tahotry ny ho faty. Namba­rany fa efa maro ny tranga mamoafady nihatra taminy saingy amin’izao fotoana izao izy vao tapa-kevitra ny nitory», hoy ihany ny fanazavan’ny polisy.

Nosamborina avy hatrany ilay vahiny voarohirohy, tamin’ny alarobia lasa teo. Efa nalaina am-bavany teny amin’ny biraon’ny polisy izy. Fantatra, taorian’ny famotorana nataon’ny mpitandro filaminana fa: «niaiky ny zavatra nataony ilay teratany vahiny.

Notantarainy fa lanin’ity sakaizany avokoa ny vola, tamin’ny fotoana nivezivezeny teto Madagasikara sy La Réunion. Noentin’ny hasarotam-piaro ihany koa izy ka izany no nahatonga azy nanao ny herisetra».