Sosialy Tapatapany

Fizarana bokin-tany faobe

Bokin-tany miisa eninjato mahery no nozaraina tao amin’ny kaominina Ambohi­miadana, ny alarobia lasa teo. Tafiditra ao
anatin’ny paikadin’ny fitondram-panjakana mba hampisitrahana feno ny zon’ireo mpanajary amin’ny alalan’ny fanoratana amin’izy ireo ny tany izay nohajariany ity hetsika ity. Tanim-panjakana tsy voasoratra na amin’iza na amin’iza ary tsy vita kadasitra no voakasik’izany paikady izany. Kaominina dimy dia ny kaominina Ambohi­miadana, Fitsinjovana Bakaro, Anosibe Trimolaharano, Moraranosoa Firaisana ary Tankafatra ao amin’ny Distrika Andramasina no nisitraka izany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra