Tranga samihafa

Fivadihana kamiao Mpamily nosokirina tao anaty fiara

Tavela tao anaty fiara ny mpamily nitondra ny kamiao iray nivadika teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, tany Manakazo Ankazobe, omaly maraina. Voatery nosokirina nandritra ny minitra maromaro tao anaty fiara izy vao afaka tao. Naratra ity mpamily ity. Tsy misy atahorana kosa ny ainy.

Nitondra voasary nikasa hiakatra aty an-drenivohitra ilay kamiao no niharan-doza tany amin’ny kilao­metatra vitsy tsy hahaton­gavana tao Ankazobe. Noho ny olana teo amin’ny fiara, satria nisy fahasimbana ny familiana no nitarika ny loza, araka ny valin’ny fizahana nataon’ ny zandary. Ny mpamily sy ny mpanampy azy no tao anatiny.

Niala lalana sy nidona tamin’ny rindrin-tany ny fiarabe. Ny lohany no voa mafy. Voatsindry tao ny mpamily. Tafavoaka ka afaka nila vonjy nanakana ny fiara nandalo ny mpamily mpanampy.