Sosialy Tapatapany

Fitsarana fiarakodia

Noho ny fanamboaran-dalana eny amin’ny faritra Alarobia dia nandray fepetra ny avy eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), eny Alarobia, fa asa amin’ny ampahany ihany no afaka ataon’izy ireo satria na ny toerana hiantsonan’ny fiara tonga eny an-toerana aza tery ka fiara vitsy ihany no afaka raisina, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitry ny serasera ao amin’ny DGSR. Mandra-pahavitan’io fanamboaran-dalana eny an-toerana io dia hatao eny Betongolo sy By-Pass ny fitsirihana ara-teknika ireo fiara mila manao izany.