Zavakanto

Fibeazana amin’ny asa soratra Mitohy ny fanentanana amin’ny vaky boky

Tsy voatery ho fianaran-desona no hitazonana ny sain’ny ankizy hifoha amin’ny fahaizana amam-pahalalana mandritra ny fialan-tsasatra. Mitohy noho izany ny fandrisihina an’ireo tanora sy ankizy amin’ny famakiam-boky. Ankoatra ireo hetsika marobe notanterahina manerana ny Nosy, indrindra nandritra ny iray volan’ny Teny malagasy, dia mitohy ny fanentanana ho amin’ny vaky boky. Nampahafantarina ny rehetra nanomboka omaly fa isaky ny Alarobia, Alakamisy ary ny Zoma no mandray ireo sekoly ny Trano famakiam-boky sy ny « Tranomboky an-tsolosaina » etsy amin’ny Cmdelac Analakely (ex-galerie6). Arahina fampianarana sy fanabeazana amin’ ny alalan’ny horonantsary miaina ny fotoana. Misokatra ho an’ny rehetra isan’andro ny varavarana, ankoatra ny alahady.

Maimaim-poana ny famakiana boky eny an-toerana. Misy sarany kosa ny fanjifana ny aterineto eo amin’ireo fitaovan’ny « Tranomboky an-tsolosaina ». Tsy toerana vao misokatra tsy akory izy ity fa kosa manavao hatrany ny tolotra eo aminy, mba hahafahan’ireo ankizy mianoka ny hakanton’ny vaky Boky.

Volasoa R