Fanatanjahantena Tapatapany

Fiaramanidina iray ihany

Ilay fiaramanidina lehibe iray efa voafaritra tany am-boa­lohany ihany no hatokana hitondra an’ireo Malagasy maherin’ ny efajato hanotrona sy hanohana ny lalao ampahavalon-dalan’ny Barea, any Ejipta. Tsy nisy intsony, araka izay nantenain’ny sasany, ny fiaramanidina faharoa hoy ny fanazavan’ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana. Manahirana ny mikarakara ny taratasy fahazoan-dalana mivahiny na ny “Visa” andalovana ao Ejipta ka izay no isan’ny antony nahasarotra ny fanofana fiaramanidina faharoa, raha ny fanazavana hatrany.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra