Fanatanjahantena Tapatapany

Fampihemorana

Ho fiaraha-mientana amin’ny Barean’i Madagasikara sy ho fanomezana fahafaham-po an’ireo mpankafy hazakaza-piarakodia dia nahemotra ny dingana fahatelo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Run, tokony hotanterahina amin’ny alahady ho avy izao eny Arivonimamo. Afaka mijery ny lalao ampahavalon-dalana hihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny Léopards avy any RD Congo. Hahemotra amin’ny 28 jolay ho avy izao io fifaninanana io, araka ny nampahafantarin’ny klioba
RunMada, mpikarakara.