Fanatanjahantena

Atletisma – Afrika faritra fahadimy Atleta efatra no hisolo tena an’i Madagasikara

Nanainga omaly hihazo an’i Maorisy ny delegasiona malagasy eo amin’ny taranja Atletisma, tarihin’ny mpanazatra nasionaly, Manana Aristide. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika faritra fahadimy, amin’ny 5 – 6 jolay ho avy izao, izy ireo ka atelta efatra mirahalahy no hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, amin’izany.

Isan’ireny i Soazara Lahivokatse Randrianantenaina (800m) sy Randrianantenaina Frederic Daurard (100m sy 200m). Efa miandry azy ireo any an-toerana kosa Rabearison Todisoa Franck (400m) sy Randrianarivo Joany Tiavina (100m sy 200m).

Ampatsiahivina fa vao avy niatrika fiofanana nandritra ny roapolo andro, tany Frantsa i Franck sy Joany. Manantena vokatra tsara, araka izany, ny Federasiona noho ny fandrai­san’izy roa lahy anjara tamin’ny fifaninanana maro nandritra ilay fiofanana. « Ny fandraisana anjara amin’ny fifaninanana no mampitombo ny fahaizan’ny atleta », araka ny namaranan-dRamanantsoa Andriamahazo Norolalao, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja atletisma.

Sendra R.