Bao tsy mivily Raharaham-pirenena

Alefa Rafiovana

Ho avy indray ny Papa dia hadiodio sy hilamindamina indray ireo faritra sy lalana ho taza-mason’ny filohan’ny finoana Katolika maneran-tany. Asa, mety efa ho maimbo ampy sy hivangon­goan’ny loto sy fako sahady, angamba, ireo tanàna filamatra
izay nohatsaraina talohan’ny fahatongavan’ny Filoha Roandey, Paul Kagamé.

Toy izay isika Malagasy. Mahamenatra sady mampanongo tena ny zava-misy. An-taoniny maro ny lanjan’ny fako noraofina taorian’ny Fetim-pirenena tamin’ny 26 jona lasa teo. Efa miverina manohy ny fanjakany indray ireo posy sy sarety manerana
ny arabe eto an-drenivohitra. Mody natao hoe nomena famindram-po tamin’ny asa fivarotany tsy ara-dalàna tamin’ireo arabe sasany eto afovoan’Iarivo ireo mpibodo tsena an-tsisin-dalana, nefa toy ny Fetim-pirenena, fetin’ny Paka, fetin’ny faran’ny taona mandavan’ ny taona ny fifanaratsehana hita sy tazana hatramin’izao. Tsy ahazoam-baliny ihany koa ny fisafidianana an’ireo arabe asiam-panamboarana, efa ho herinandro maro izao. Misy tanàna kosa moa, tsy azo eritreretina ho nandalovan’i Paul Kagamé na
hizoran’ny fiara mitondra ny Papa François ! Toy izay isika eto Madagasikara. Ory be fangatahana nefa mihatsaravelatsihy eo imason’ny vahiny. Tsy hay na hatramin’ny rahoviana no hahatongavantsika saina fa mandrora mitsilany foana ny fihetsika iaraha-manao eto amin’ity tanindrazana ity. Voatampintampi-maso eny dia samy mangingina. Ny mpitondra tsy taitra, ny vahoaka tsy
rototra. Avy eo, revo amin’ny fifanilihana sy fifanomezan-tsiny.

Inay ka ady baolina kitra hisy ny mpilalaon’ny Barea tsirairay ny sehatra samihafa mbola mamohehatra eto Madagasikara. Angamba, mba hisy fiovana kely rehefa entankentanin’ny fitiavana azy ireo, tahaka an’ireny fihorakorahana miharo hambom-pitiavan-tanindrazana taorian’ny fahombiazan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja baolina kitra ireny. Iaraha-manaiky anefa fa tsy hisy vahiny manan-kaja handalo lava eto an-tanàna. Tsy isan-taona ny fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra (CAN). Isika an-tapitrisany maro ireo no monina eto mandavan’ny taona. Rehefa tsy miainga amintsika ny fahatsapan-tena amin’ny fiovana dia mbola hitohy ela dia ela izao fiaraha-mifotetaka amin’ny fahoriana sy fahantrana izao. Na ny isam-batan’olona, ny isan-tanàna, ny mpiray faritra ary ny firenena iray manontolo.