Tranga samihafa

Fanalam-baraka Lehilahy nogadraina noho ny fanaparitahana sary mamoafady

Naiditra am-ponja vonjimaika ity lehilahy iray, 27 taona, nanala baraka olona tao amin’ny tambajotran-tserasera « Facebook ». Voatondro ho nanaparitaka sary sy horonantsary mamoafadin’ny sakaizany teo aloha izy.

Tamin’ny talata 2 jona lasa teo no nitondrana azy teny amin’ny Fitsarana, ka izao niafara tamin’ny famonjana vonjimaika azy eny Antanimora izao. Nametraka fitoriana teny amin’ny polisy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny heloka amin’ny teknôlôjiam-pifandraisana na « cybercriminalité » etsy Anosy ny tovovavy iray noho ny fiparitahan’ny horonantsary mamoafady misy azy tao amin’ny tambajotra « Facebook » sy tranonkala iray. Kaonty tsy tena izy na « compte fake » no mamoaka ireo sary ireo. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpanao famotorana.

Fisarahana

Sarona, taorian’izay, fa ny sakaizan’ilay tovovavy teo aloha ihany no naka an-tsokosoko ny horonantsary sady tsy nisy fierana taminy. « Volana vitsivitsy, taorian’ny nisarahan’ilay tovovavy tamin’io sakaizany io, no niparitahan’ireo sary sy horonantsary mamoafady. Ity sakaiza teo aloha no niantefan’ny ahiahy voalohany. Nosamborina sy natao famotorana izy », hoy ny fanampim-panazavana avy amin’ny polisy.

Alefa any am-ponja, matetika, ny olona tratra manao fandikan-dalàna amin’ny alalan’ny tambajotra-tserasera « Facebook », tahaka ity tranga iray ity sy toy ny filazana na fanaparitahana vaovao tsy marina. Anisan’ny manao fanadihadiana amin’ireny raharaha ireny ny polisy misahana ny « cybercriminalité » etsy Anosy.