Hihazo an’i Toamasina, amin’ity herinandro ity, ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Hijery ifotony sy hanomboka ny fizaràna ny « Tosika Fameno » ho an’ny mponina any amin’ny faritra Atsinanana izy. Tsiahivina fa tohana arabola 100 000 ariary no homena an’ireo olona marefo voafantina isa-pokontany. Ny fitondram-panjakana miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola no misahana azy.
Hanome hevitra