Tapatapany Tranga samihafa

Sinoa reraka

Teratany sinoa roa no avy hatrany dia nalefa eny amin’ny toerana fandraisana marary eny Anosiala. Fantatra fa avy any Shina izy ireo ary nigadona teny amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly tolakandro. Tsikaritra fa reradraraka ireto Sinoa ireo ka izay no nandraisana fepetra ny amin’ny nandefasana azy ireo mivantana eny amin’ny hopitaly Anosiala. Loharanom-baovao no milaza fa kely ny herijika mety hitondran’ireto Sinoa ireto ny tsimok’aretina “Coronavirus”. Miankina amin’ny fahasalamany anefa no hahafahan’izy ireo mivoaka ny hopitaly.