Tapatapany Tranga samihafa

Fahitana razana

Hita faty, omaly, ny telo tamin’ireo olona efatra narendriky ny lakana, tany Maroantsetra, tamin’ny alahady lasa teo. Razana vehivavy roa, mpianaka sy lehilahy iray, mpanampy ny mpitondra lakana, ireo hita ireo. Mbola karohina ilay fahefatra.