Tapatapany Tranga samihafa

Ramatoa lehibe nivalampatra teo amoron-dalana

Hita teo an-tsisin-dalana amin’ny sampanan-dalana teny Fitroafana ny vehivavy lehibe iray, manodidina ny valopolo taona. Nisy nampandre ny zandary teny Mandrosoa Ivato, omaly tokony ho tamin’ny fito ora maraina. Fantatra, araka ny fizahana nataon’ny mpitsabo, fa fahafatesana tsotra no nahazo azy. Tsy nahitana taratasy nahafantarana ny mombamomba azy kosa teny amin’ity zokiolona ity. «Mitantara ny olona eo amin’ny manodidina fa tsikaritr’izy ireo efa nihaodihaody sy natory teo amin’io toerana io, isak’alina, ilay vehivavy, andro maromaro izay. Ny teo anivon’ny fokontany milaza fa tsy misoratra ao amin’ny fokontany izy io», hoy ny zandary eny Mandrosoa.

Voalaza hatrany fa noraisin’ny teo anivon’ny kaominina Talatamaty ny fikarakarana ny razana. Omaly tolakandro ihany dia nalevina teny amin’ny fasana iombonana eny Amborompotsy ilay vehivavy lehibe.