Zavakanto

Mozika avy any antsimo Hanome kanto miavaka i Jean Piso

Hiaka-tsehatra etsy amin’ny No comment Bar Isoraka i Jean Piso. Amin’ny alakamisy 7 febroary ho avy izao no fotoana hifanomezany amin’ireo mpankafy azy.

Hanomboka amin’ny 8 ora alina ny lanonana ary haharitra ora roa eo ho eo izany. Ny mozika avy any Atsimo no homen-danja mandritra ny fampisehoana.

Raha tsahivina, Jean Piso dia mpanakanto iray avy any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Miavaka eo amin’ny fitendrena angorodao izy. Ankoatra izay, anisan’ireo artista manana ny lazany eto Madagasikara sy any ivelany ihany koa ny lehilahy. Maro ny gadona voafehiny, na ny mozika milamina,na ihany koa ny mihetsiketsika. Efa niara-niasa tamina mpanan-kanto maro izy, ary efa nitety firenena maro nampiseho ny talentany.

Tsy hita nanao fampisehoana teto Madagasikara intsony anefa i Jean Piso tato anatin’ny taona maromaro. Araka izany, fotoana iray ahafahan’ny mpankafy miaraka aminy io seho an-tsehatra hataony etsy amin’ny No comment Bar Isoraka io. Ho avy hanotrona sy hanafana ny lanonana miaraka aminy ao i Rolf sy Imiangaly. Ho avy ao koa i Jeahy Besely sy,i Bachelors.

 

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra