Fanatanjahantena

Kitra– mpilalao mila ravinahitra Mihatsara ny fahasalaman’ i Abel Anicet

Tafaverina tanteraka amin’ny heriny Andrianantenaina Abel Anicet, mpilalao malagasy any amin’ny klioba Ludogorets Razgrad (Bulgarie). Efa niatrika lalao ara-pirahalahiana maro izy tao anatin’ny herinandro vitsy izay.
Vao nahatafiditra baolina voalohany izy, tamin’ny zoma lasa teo, hatramin’ny niverenany nilalao. Nampiantrano ny Akhmat Grozny (Rosia) ny Ludogorets Razgrad ka i Abel Anicet no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-11. Raha nisy “corner” avy any amin’ny ilany havanana no tonga teo aminy ny baolina, ary nanakobanany ny haraton’ny mpifanandrina tamin-dry zareo tamin’ny daka am-panidinana. Nifarana tamin’ny fandresena 4 sy 3 ho an’ny Ludogorets Razgrad ny lalao.

“Valo volana aty aoriana dia nahafaty indray aho. Isaorana Andriamanitra”, hoy izy raha nizara ny horonantsarin’ilay baolina matiny tao amin’ny tambajotra “Facebook”.

Raha tsiahivina dia naratra mafy ity irakiraky ny Barean’ i Madagasikara ity, tamin’ny volana avrily 2018.