Raharaham-pirenena Tapatapany

Fivoriana farany

Anio maraina no hifarana amin’ny fomba ôfisialy ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta. Fivoriana farany ho an’ireo depiote eny Tsimbazaza no tontosa, omaly. Mbola hitohy hatramin’ny anio hariva kosa ho an’ireo loholona eny amin’ny lapan’Anosikely. Voalaza fa maro amin’ireo loholona eo anivon’ity andrimpanjakana ity no efa mivonona ny hanohana an’izao fitondram-panjakana izao.