Faritra Tranga samihafa

Fifampitifirana tany morondava Lehilahy iray lavon’ny pôlisy

Nifampitifitra tamin’ny polisy, tany Tsimahavaokely Morondava, ny lehilahy telo, afak’omaly tamin’ny iray ora maraina. Maty voatifitra ny iray tamin’izy ireo. Tafaporitsaka ny roa ambiny.

Ahiana ho olon-dratsy nikasa hanafika ireto lehilahy telo hita nilanja basim-borona nihaodihaody teo an-tanàna, tamin’io vao mangiran-dratsy io. Nantsoina haingana ny mpitandro filaminana. Fotoana vitsy taorian’izay dia tonga teny an-toerana ny pôlisy. Teo no nisian’ny fifampitifirana nahery vaika.

Araka ny fanampim-panazavana voaray dia ireo andian- dehilahy no nitifitra voalohany, vantany vao nahatazana ny pôlisy. Tsy nisalsala ireto farany namaly izany. Lasan’ ireo lehilahy roa nandositra ny basim-borona. Nahitana basy poleta vita tanana iray kosa teny amin’ilay namoy ny ainy.