Fanatanjahantena

Baolina lavalava Tovovavy malagasy telo mitsidika an’i Frantsa

Mpilalao baolina lavalava Malagasy telo mirahavavy avy amin’ny fikambanana « Terres en mêlées », dia i Marcelia, Pela ary Sonia no manao fitsidihana any Frantsa mandritra ny roa herinandro. Marihina fa mpilalao zandriny eo anelanelan’ny 16 sy 18 taona avy any amin’ny faritra Atsimon’ny Nosy sady mpiofan’ny Akademian’i Toliara, Ihorombe ary Mikéa izy ireo.

Tompomarika nahafahan’izy ireo manatanteraka izao fitsidihana any Frantsa izao ny Fondation Société Générale, ny Federasiona frantsay ary Federasiona malagasin’ny baolina lavalava. Tantara sarotra hadinoina ho azy telo mirahavavy ireto ny nahafahany nandaka baolina voalohany ho mariky ny fanombohan’ny « Tournoi des 6 nations », izay misy ny ekipam- pirenena frantsay vehivavy izy telo mirahavavy, amin’ity fiandohan’ny herinandro ity. Aorian’izay dia handeha hiofana any Toulouse mandritra ny herinandro. Amin’ny 16 feborary izy ireo no hitodi-doha hiverina an-tanindrazana.