Tranga samihafa

Varotra olona Avotra ny vehivavy iray saika hamidy 70 tapitrisa ariary

Votsotra teo am-pelatanan’ireo mpivarotra olona ny vehivavy iray, 17 taona, monina any Morafeno-Anjoma Ramartina, any
Mandoto, tamin’ny 1 desambra lasa teo. Teo am-pivarotana azy ireo olon-dratsy no tra-tehaky ny Zandarimaria.

“Hita tao anaty finday avokoa ny resaka sy ny hafatra amin’ny hivarotana 70 tapitrisa ariary an’io ankizy io”, hoy ireo zandary nisambotra an’ireo jiolahy.

“Nisy loharanom-baovao nilaza taminay ny fisian’ireo olona hivarotra tovovavy iray. Nanaovana hetsika avy hatrany fisamborana azy ireo. Rehefa nosavaina ny findain’ ireo jiolahy no sarona tao avokoa ireo olona mifandray amin’izy ireo. Nanomboka teo ny fikarohana izay nitarika tamin’ny fisamborana olona efatra”, hoy kosa ny loha­ranom-baovao akaiky ny mpanao famotorana, any Antsirabe.

Tsy vao sambany ity tranga fivarotan’olona ao amin’ ny faritra Vakinankaratra ity. Nisy ireo andian’olona ravan’ny Zandarimaria, izay voalaza fa saika hivarotra olona hatrany amin’ny 200 tapitrisa ariary ny iray, andro vitsy lasa izay. Olona roa no saika hamidy tamin’izay. Olona enina kosa no voampanga. Nisy tamin’ireo voasambotra afak’omaly no efa voarohirohy tany aloha ary efa naiditra am-ponja.