Tapatapany Tranga samihafa

Hain-trano

Kila forehitra ny toeram-pivarotana lehibe iray misy rihana maromaro, na “Galérie Mialy”, etsy Behoririka, manakaiky ny tobin-tsolika Shell. Omaly, tokony ho tamin’ny enina ora hariva no nirehitra ny trano, izay mbola feno entam-barotra isan-karazany. Efa tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina namono ny afo. Tsy mbola fantatra mazava izay antony nahatonga ny loza. Tsy fantatra ihany koa izay tentim-bidin’ny entana may tao amin’io trano lehibe io.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra