Tapatapany Tranga samihafa

Vono olona

Namoy ny ainy noho ny vely maritoa teo amin’ny lohany ny lehilahy iray monina any Mariarano Maroantsetra, afak’omaly maraina. Voalaza fa nandositra namonjy ny biraon’ny kaominina ilay namono saingy maty niharan’ny fitsaram-bahoaka. Ny fianakavian’ilay maty voavely maritoa ihany ireto voalaza fa nifarimbona namono azy.