Fanatanjahantena

LALAO «ORANGE E-SPORT EXPERIENCE» Mpilalao malagasy telo hifaninana any Dakar

Hanana solontena telo amin’ireo mpilalao dimampolo avy amin’ny firenena iraika ambin’ny folo mandray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, “Orange E-Sport Experience”, hatao any Dakar, Sénégal, i Madagasikara. Hotanterahina any an-toerana, amin’ny 5 – 6 desambra ho avy izao ity hetsika fanao isan-taona aty Afrika ity.
Hiaro ny voninahitr’i Madagasikara amin’izany i Ranto Manoro Ratsimiliavahoaka (Big_Tom_2138) eo amin’ny lalao “Street Fighter” sy Mamitiana Michel Rakotoarison (Gogo) eo amin’ny lalao fifaninanana manamory fiarakodia amin’ny “Asphalt” ary i Mamitiana Herilanto Ralainaivo (Rayan) eo amin’ny lalao baolina kitra PES 2019. Nanainga ny alahady lasa teo, nihazo an’i Dakar, ireto mpilalao malagasy ireto. Ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar niaraka tamin’ny fikambanana e-Sport Mada no nikarakara ny fifaninanana teto an-toerana nahafahana nifantina azy telo mirahalahy ireto. Mandritra ny hetsika ho an’ny Afrikanina tandrefana, “1e Salon Ouest Africain” ao amin’ny Dakar Digital Show no hanaovana izany.