Raharaham-pirenena Tapatapany

Filazana fanohanana

Misesisesy ny fanaovana fanambaràna amin’ny haino aman-jery mikasika ny filazana fanohanana ny iray amin’ireo kandidà ho filoham-pirenena, tato anatin’ny andro vitsy nisesy izao. Antoko pôlitika, kandidà ho filoham-pirenena farany teo ary fikambanana tsotra maro no samy naneho ny heviny avokoa sy nampahafantatra ny fiandanian’izy ireo amin’ny an-daniny na ny an-kilany. Teo kosa ireo tsy nisafidy ny hampifidy na iza na izao amin’ireo kandidà roa ireo..