Kolontsaina

FIATREHANA NY KRISMASY Hanolotra fanomezana ny zaza sahirana ny IKM

Toy ny isan-taona, mba hahafahan’ireo ankizy sahirana mankalaza ny fetin’ny Krismasy toy ny rehetra dia misy ny hetsika « Antsika hisôma », karaka­rain’ny Ivon-toeran’ny Kolo­tsaina Malagasy (IKM), amin’ny 22 desambra ho avy izao.

Ireo ankizy sahirana eny amin’ny fokontany Ambatomena Amboasarikely Anosibe sy Isotry no hisitraka ny fanomezana. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hitondra Krismasim-pifaliana ho an’ireo tojo fahasahiranana sy tsy fahampiana. Toy ny tamin’ny taon-dasa dia manasa ireo olon-tsotra sy malala-tanana ny mpikarakara hanatitra izay foiny eny amin’ny IKM Antsahavola mba hanaovana soa ho an’ireo zaza sahirana. Misy ihany koa ny fanangonana vola amin’ny alalan’ny fanjifana kapila mangirana mirakitra ireo lalao sy fanentanana maro samihafa niseho teny an-toerana nandraisan’ ireo ankizy maro anjara. Azo atao anefa ny manolotra fanomezana mivantana, toy ny kilalao, vatomamy eny amin’ny IKM Antsahavola.